Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/a/afeacda3aae0d8ebfb105f4cafc784f4.xhtml failed

SSH (Secure SHell)

Ny SSH dia karazana programa antsoina hoe “terminal session” izany hoe ahafahana manokatra session amina solosaina lavitra avy amina solosaina hafa. Ny “lavitra” lazaina eto dia mety ho tena lavitra mihitsy, ka ny internet no ahafahan’ireo solosaina roa mifandray. Andalam-baiko no iasana amin’ny SSH, ary ilay solosaina lavitra no tena miasa, fa clavier sy ecran fotsiny no ilana ilay solosaina ampiasaina. Misy teknolojia hafa no ahafahana miasa amin’ny interface grafika.

Ny telnet no efa nanao io asa io taloha, kanefa noho ny antony security, dia tsy azo antoka tanteraka ny telnet. Ny SSH no lasa tena fampiasa satria voaaro ny baiko mandehandeha any anaty reseau any.

Ilaina misy serveur SSH ilay solosaina lavitra anokafana session, ary client SSH amin’ilay solosaina ampiasaina. Matetika efa misy an’io Client io ny OS toy ny MacOSX sy Linux. Fa ny Windows kosa mbola mila ametrahana, ka ny logiciel Putty no tena malaza amin’izay.

Jereo koa

Nandray anjara tamin'ito pejy ito

  • Lapino
  • FRAZ
 

ssh.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43