Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/cbcc3c73fe5a8b764766af5b132ca8c7.xhtml failed

Karazana hitsy (touches raccourcis) fampiasa

Ireto hitsy ireto dia mihatra amin’ny Windows, sy ny ankabeazan’ireo rindrankajy mandeha aminy. Matetika mampiasa ireo touches de combinaison sy touches de fonction (Jereo ireo touches ambony klavie)

  • Shift + kisaka : Mitsonga manomboka eo amin’ny korisa mankany amin’izay tondroin’ilay fikisahana. Ny kisaka eo dia mety ho:
    • Touche de direction, Home, End;
    • Ctrl + Home : mankany amin’ny fiandohana, na Ctrl + End mankany amin’ny fiafarana
  • Ctrl + A : Mitsonga izay rehetra azo tsongaina
  • Ctrl + C : Mandika izay zavatra voatsonga ho anaty Clipboard
  • Ctrl + X : Manapaka izany hoe mamafa izay zavatra voatsonga ary mandika azy ho ao anaty Clipboard
  • Ctrl + V : Mametaka izay ao anaty clipboard ho eo amin’izay misy ny korisa
  • Ctrl + Z : Manafoana ny hetsika farany natao
  • Ctrl + Y : Mamerina ny hetsika voafoana farany
  • Win + E : Windows Explorer
  • Win + F : Mikaroka fichier
  • Win + R : Mandefa baiko (Demarrer > Executer)
  • Win + M: Mampiseho ny birao, manakely ny fenetre rehetra ho ery amin’ny barre de taches. Mety koa ny Win + D
  • Win + Shift + M: Manangeza ny fenetre rehetra
  • Win + U: Mandefa kirakira windows (Utilitaires)
  • Win + Pause: System properties
  • Win + L: Manidy session
  • Ctrl + Esc: Menu demarrer
  • Shift + F10: Menu contextuel
  • Alt + Tab: Mifindrafindra amin’ireo fenetres misokatra
  • Alt + F4: Manidy fenetre; Ctrl + W manidy fenetre zanany
  • Ctrl + Alt + Del: Fantatry ny rehetra, manokatra ny Task manager (Gestionnaire de taches)
  • F1 : Mampiseho Help
  • F5 : Manavao ny jery (Refresh)
 

toucheshitsy.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43