Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/c6b97a2b00dbd723e5ca871aa3c686dd.xhtml failed

Tuto HTML tsotsotra

Hanombohana dia tonga dia handray ohatra isika. Manokafa bloc-notes (na editeur de texte izay misy), dia adikao ao ity soratra etsy ambany ity. Avy eo ataovy enregistrer sous pejiko.htm . Sokafy amin’ny Internet explorer avy eo. Dia ho hitanao hoe ahoana no fivoakany.

<html>
  <head>
    <title>Lohatenin'ny pejiko</title>
  </head>
 
  <body>
     Tranonkalako voalohany <br>
     <br>
     <hr>
     <br>
     <b>Soratra matevina</b><br>
     <br>
     <i>Soratra mandry</i><br>
     <br>
     <u>Soratra voatsipika</u><br>
     <br>
     <b><i>Sady mandry no matevina</i></b><br>
     <br>
     <a href="http://www.google.fr">Rohy mankany amin'ny google</a><br>
     <br>
  </body>
</html>

Ny HTML dia langage fanaovana mise en forme, ka tag na balises no amaritana izay rehetra miseho eo amin’ilay pejy atao aminy. Ny HTML dia tsy manavaka sora-baventy sy sora-madinika eo amin’ireo tag ireo.

Ireny zavatra anatin’ny <> ireny no atao hoe tag. Ka rehefa ao anelanelan’ny <b> sy </b> ohatra dia lasa bold ny texte (bold = gras), sns ... Ireny <br> ireny no midina andalana, ny <hr> manisy tsipika marindrano.

Marihina fa afaka mifampiditra ireny tag ireny, saingy tsy mahazo mifandipatra. Ohatra:

<b><i>Soratra sady matevina no mandry</i></b> : OK
<b><i>Soratra sady matevina no mandry</b></i> : tsy mety

Hitantsika araka io kisary eo ambony io ary fa mizara roa ny pejy HTML iray:
- ny HEAD izay asiana ny mombamomba ny pejy toy ny lohateniny, sns ...
- ny BODY izay asiana ny tena vontoatin’ilay pejy.

Fanamboarana rohy

Ny tag <a> no fanamboarana Rohy. Ampiarahana amin’ny parametre href izy hanomezana ny adiresin’ny pejy tondroin’ilay rohy. Toy izao no fanaovana azy:

 <a href="http://infogasy.net">Rohy mankany amin'ny infogasy</a>

Ity misy fampiharana kely:

- manamboara pejy iray page1.htm
- manamboara pejy iray faharoa page2.htm (Ataovy anaty repertoire iray ireo) - ao anatin’ny page1.htm asio hoe:

<a href="page2.htm">Rohy page2</a>, 
<br>
<a href="http://www.google.com">Rohy mivoaka</a>

- sokafy amin’izay ny page1.htm anaty navigateur, klike-o ny lien.

Fampidirana sary

Ny tag <img> no fampiasa rehefa hampiditra sary. Toy izao no fampiasa azy:

- asio sary iray sary.jpg ao anatin’ilay repertoire misy ny page1.htm sy page2.htm teo.
- ao anatin’ny page2.htm asio an’ity code ity:

<img src="sary.jpg">

Sokafy amin’ny navigateur amin’izay ny pejy1.htm, tsindrio ilay rohy manokatra ny pejy2.htm. Azo atao koa no manisy rohy eo amin’ny sary. Ohatra hasiantsika rohy miverina any amin’ny page1.htm ilay sary teo. Soloy toy izao ilay code teo (hodidinina tag <a> fotsiny):

<a href="page1.htm"><img src="sary.jpg"></a>

Karazana tag HTML

Ireto misy karazana tag vitsivitsy fampiasa:

rohy: <a href="adiresy">...</a>
 
Efa hita teo: <b>...</b>, <i>...</i>, <u>...</u>, <img src="adiresy">
 
paragraphe: <p>...</p>, <p align="center">...</p>
 
Midina andalana: <br>, tsipika marindrano: <hr>
 
Police: <font family="verdana" size="20px" color="red"> ... </font>
 
Lohateny (arakaraka ny niveau): <h1>...</h1>, <h2>...</h2>, <h6>...</h6>
 
Fizarana Bloc: <div>...</div> , fizarana anaty lahatsoratra: <span>...</span>
 
Fafana (tableau):
 
<table>
  <tr>
    <th align="center">En-tete</th>
    <th align="center">En-tete</th>
  </tr>
  <tr>
    <td align="left">Cellule</td>
    <td align="right">Cellule</td>
  </tr>
</table>
 
sy ny sisa. 
 

Tsy ireo daholo ny tag HTML, fa mbola misy maro. Tsara raha manana reference-n’ireo tag ireo ihany. Matetika ny help amin’ireo rindrankajy fanaovana HTML dia misy an’izany reference izany miaraka amin’ny fomba fampiasana azy. Azo atao koa ny mijery sehatra (izay maro izy ireo), toy ny w3school, selfHtml, sns ...

Azo atao koa ny mampiasa ireo editeur Wysiwyg, amboarina izay zavatra tiana hatao, dia jerena ao amin’ny source HTML avy eo.

Jereo koa

 

tutohtml.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43