Ny dikan’ny Ubuntu : Humanity to Others - Humanite aux autres. Araka ny hita ao amin’ny distributions, Ubuntu GNU/Linux dia distribution avy amin’ny Debian nipoitra tamin’ny taona 2004. Tsy hamidy izy fa maimaim-poana. I Mark Shuttleworth, miliardera sud-africain no mamatsy betsaka azy amin’ny alalan’ny orinasany Canonical. Olona 34 maneran-tany no tena misahana ny famokarana azy.
Manana nom de code (CodeName) sy laharana isaky ny version miseho izy. Misy lojika arahany ny laharana . Ohatra : Hoary Hedgehod 5.04 ( ny version ankehitriny) izay midika hoe tamin’ny taona 2005 ary volana aprily. Nivoaka tamin’ny 08 Aprily 2005 izy io.
Isaky ny enim-bolana (6 mois) ry zareo dia mamoaka version vaovao foana. Ary ny anaran’ireo version ireo dia efa fantatra sahady : Breezy Badger 5.10 sy ny Perky Penguin 6.04. Dapper Drake ny kinova manaraka hivoaka ny volana Jona 2006, ary hitondra zava-baovao.
Ubuntu dia distribution natao ho an’ny daholobe , izany hoe ho fampiasa amin’ny ilaina andavanandro (Ordinateur de Bureau), mandeha amin’n X86, AMD64 ary PowerPC izy. Misy karazany vitsivitsy ny distribution Ubuntu, izay mitovy daholo moa ireo afa-tsy antsipiriany izay iavahany ihany.
Misy sokajy efatra (4) ao anatiny :
Amin’ny maha avy amin’ny Debian azy dia ny APT no fitantanana ny fonosana samihafa ao aminy.
Azo tohizana