Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/3/39443b48cbe55a0345120a8955181757.xhtml failed

Ubuntu Linux

Ny dikan’ny Ubuntu : Humanity to Others - Humanite aux autres. Araka ny hita ao amin’ny distributions, Ubuntu GNU/Linux dia distribution avy amin’ny Debian nipoitra tamin’ny taona 2004. Tsy hamidy izy fa maimaim-poana. I Mark Shuttleworth, miliardera sud-africain no mamatsy betsaka azy amin’ny alalan’ny orinasany Canonical. Olona 34 maneran-tany no tena misahana ny famokarana azy.

Manana nom de code (CodeName) sy laharana isaky ny version miseho izy. Misy lojika arahany ny laharana . Ohatra : Hoary Hedgehod 5.04 ( ny version ankehitriny) izay midika hoe tamin’ny taona 2005 ary volana aprily. Nivoaka tamin’ny 08 Aprily 2005 izy io.

Isaky ny enim-bolana (6 mois) ry zareo dia mamoaka version vaovao foana. Ary ny anaran’ireo version ireo dia efa fantatra sahady : Breezy Badger 5.10 sy ny Perky Penguin 6.04. Dapper Drake ny kinova manaraka hivoaka ny volana Jona 2006, ary hitondra zava-baovao.

Natao hanaovana inona ?

Ubuntu dia distribution natao ho an’ny daholobe , izany hoe ho fampiasa amin’ny ilaina andavanandro (Ordinateur de Bureau), mandeha amin’n X86, AMD64 ary PowerPC izy. Misy karazany vitsivitsy ny distribution Ubuntu, izay mitovy daholo moa ireo afa-tsy antsipiriany izay iavahany ihany.

  • Ubuntu : ny distribution original, mampiasa GNOME
  • Kubuntu : mitovy ihany, saingy mampiasa KDE
  • Xubuntu : mampiasa XFCE. Natao ho maivana izy ity, hany ka tsy misy OpenOffice par defaut, fa misolo Abiword
  • Edubuntu : Ubuntu nofenoina rindrankajy momba ny fianarana, ka natao ho an’ny mpianatra izany
  • nUbuntu : tetik’asa manokana izy ity, tsy miankina amin’ny famolavolana ny Ubuntu. Ubuntu ihany izy ity, fa nofenoina ho fampiasa amina reseau (network).
  • (tsy tadidiko ilay anarany teo) : Ubuntu naboridana mba hanaovana “systeme embarqué” (embedded system)

Kirakira miaraka aminy

Misy sokajy efatra (4) ao anatiny :

  • main: ireo fonosana (package) izay tohanan’ny ekipan’i Ubuntu.
  • restricted: ireo rindrankajy samihafa manana license tsy libre.
  • universe: ireo fonosana libre fa ny communaute no mitantana azy.
  • multiverse: ireo rindrankajy tsy libre rehetra

Amin’ny maha avy amin’ny Debian azy dia ny APT no fitantanana ny fonosana samihafa ao aminy.

Mampiavaka azy

Azo tohizana

Samihafa

 

ubuntu.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43