Misy tompony (mpampiasa sy vondrona) daholo ny fichiers sy ny repertoire rehetra. Arakaraka izay ny alalana ahafahana mikirakira azy. Ny tompony sy ny root no afaka mametra ny alalana.
Misy karazany telo ny alalana, misy litera marikany, ary misy isa ahafahana mampifanampy azy:
| Alalana | Litera | Isa |
|---|---|---|
| Mijery fotsiny | r (read) | 4 |
| Manoratra, manova | w (write) | 2 |
| Mandefa | x (execute) | 1 |
Araka izany dia afaka mifanampy ny alalana. Noho izany ohatra:
Samy manana ny alalany amin’ny fampiasana rakitra na repertoire iray daholo ny user tompony, ny group misy an’ilay user ary ny rehetra ankoatra an’izay. Rehefa manoratra azy dia toy izay no filaharany: Tompony - Vondrona - Rehetra. Hany ka toy izao no fanoratra ny alalana:
Ny fampiasana litera dia hita rehefa mampiasa ny baiko ls -l ohatra, ary ny isa kosa rehefa manao chmod ohatra. Azo ampiasaina ihany anefa ny litera amin’ny chmod, toy izao: