Visual Basic .Net izany no manolo ny VB6 taloha. Hahitana zavatra betsaka noho ny taloha, langage orientee objet tanteraka. Amin’ny framework .Net ihany izy no mandeha.
Dia mitohy ato indray zany ny tantara
Objet My : Miaraka amin’ny VS 2005 dia nanampy ny objet My ry zareo mba hanafaingana hatrany ny fomba fiasa. Karazana wrapper (mamono) ireo fonction fampiasa matetika izy.
My.Application: Hahafahana maka ireo informations mikasika ny Application natao, repertoire misy azy, manoratra log, maka version, variable d’environnement sy ny sisa.
My.Computer: Hahafahana maka informations mikasika ny Hardware (souris, clavier, imprimante, ecran) rehetra, reseau sy ny sisa
My.Forms: Mikirakira ireo formulaire anaty application-nao, manidy, mamoha.
My.User: Hahafahana maka ny informations mikasika ny olona mampiasa ny milina (anarana, domaine,...)
My.WebServices: Hahafahana miantso avy hatrany ireo Services Web izay mifandray amin’ny application-nao (reference).
Ohatra :
My.Application.AssemblyInfo.Title My.Computer.Network.Ping("www.infogasy.net")
//Fanamarihana : Misy ohatran’io ihany koa fa ho an’ny C# 2.0 fa tsy Microsoft no nanamboatra azy. That indray izy amin’ny C#. Ato My for C# 2.0 no hahitana azy.