Virus dia sombina code na praograma kely manao asa ratsy matetika. Tsy mandeha irery izy fa misy fichier hitoerany aloha. Afaka miampitapita izy avy eo amin’ny praograma hafa.
Betsaka ny toerana mety hahazoana azy : disquette?, mail?, CD ary indrindra ny Internet? (telechargement).
Toy ny virus amin’ny biolojia ihany, Asitriny anatina fichier ny code-ny ka ny programa mampiasa an’io fichier io no mandefa azy.Rehefa mihodina moa io code-ny io dia ahafahany manao ny asa(-ratsy)-ny, sady hitomboany ka hahafahany mandeha mitady fichiers vaovao hidirana indray.
Rehefa mihanaka ny virus dia misy ny soniany no ahafantarany ny fichiers efa voa sy ny mbola mila hasiana. Io soniany io koa no ahafantaran’ny antivirus azy. Efa mandroso be anefa ny teknolojian’ny virus ka ho an’ny sasany dia natao cryptage ilay sonia ka ilay virus irery ihany no mahalala azy. Noho izany dia tsy maintsy nitadiavana fomba hafa hahafahan’ireo antivirus miady aminy. Ohatra, ny fiambenana ny fihetsika (comportement) an’ireo fichiers, programa, processus mihodina, ny fiambenana ny haben’ireo fichiers systemes, sns ...
Maro karazana ny virus, fa ireo voambolana fandre no ireto resahantsika ireto: