Ny tanjona amin’ity fianarana Visual Basic ity dia mba ahafahana mamorona Application Windows kely iray izay afaka mitahiry Donnees dia avy eo mifandray amin’ny Webservice mba ahafahana manampy donnees amin’io Webservice io.
Ny zavatra hitako mora indrindra dia manaraka ity rohy eto ambany ity izay ahitana lesona araka ohatra toa ny vinavina izay kasaina hatao eto http://msdn.microsoft.com/vstudio/express/vb/learning/
Ny tetikasa heverina hatao dia toa izao dia Application Windows Form izay ahafahana mifandray amin’ny boatin-kafatra ao amin’ny namana.serasera.org (mitovitovy amin’ny thunderbird na outlook express)