Tsy voatery ho voambolana marina ny eto. Fa soso-kevitra hanampiana ny voambolana informatika fotsiny. Efa ampiasaina ato anatin’ny wiki ny sasany, na any amin’ny forum na mety ho hitanao any ho any amin’ny tsy ampoizinao any.
Reni-karatra: hilazana ny carte mere na motherboard na mainboard. Hazavaiko kely:
–Lapino
Mandrakitra, Raketina, Raketo, ... : hilazana hoe save na enregistrer. Mampiasa fotsiny ny hoe Rakitra (file na fichier) ho fototeny. Ara-panononana koa tsy dia mifanalavitra amin’ny hoe mandraikitra :)
–Lapino
Sarikapila: hilazana disk image. Mahalaza azy loatra ilay teny anglisy
. Mety ho io hevitra io ihany no hita amin’ny hoe: saribakoly, na koa saritsiky (smileys) araka ny andikan’i hery azy.
–Lapino
Sandrify: Asa raha mety io handikana ny folder. Na tsy mi-fold aza no itahirizany rakitra fa mifanarona, tsaratsara kokoa ny securite am’zay :). Fa ny handikana directory na repertoire tsy hitako.
–Lapino
Asa raha efa nandalo tao amin’ny akademia ny hoe kapila mafonja talohan’ny nandraisana ilay hoe kapila manjelatra.
–Lapino
Tsonga: Selection
Mitsonga: Select, ary ny selected mety ho voatsonga na notsongaina
Kitendry: asa raha mahadika ny keyboard io. Noeritreretiko koa ny hoe rarimbokotra fa toa ratsy feo izany.
–Lapino
karatra fototra: io indray no ilazako ny hoe carte mere. Tahaka ny foto-kazo no ilazako azy.
–Jentilisa
tava miofo sy tava vao mitranga: ireo indray no ilazako ny fenetre pop-under sy fenetre pop-up. Hevitra ny ahy aloha.
–Jentilisa