Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/1/14ee485a7f321728f4e21a923bd2d4f0.xhtml failed

Voambolana //soso-kevitra//

Tsy voatery ho voambolana marina ny eto. Fa soso-kevitra hanampiana ny voambolana informatika fotsiny. Efa ampiasaina ato anatin’ny wiki ny sasany, na any amin’ny forum na mety ho hitanao any ho any amin’ny tsy ampoizinao any.


Reni-karatra: hilazana ny carte mere na motherboard na mainboard. Hazavaiko kely:

  • ny “reni-” dia milaza hevitra roa: - lehibe indrindra (amina refy fizika) - ipoirana na iankinan’ny hafa rehetra. Hitantsika miverina ohatra io amin’ny hoe “renivohitra”, “renihevitra”, ... na ny hoe “renirano” aza. Efa fampiasa koa aza ny hoe “renipejy” hilazana “page d’accueil
  • ny “karatra” dia hilazana an’ilay endriny mitapelaka. Fandikana ara-panononana ohatra ny karatra fantatsika rehetra ihany.

–Lapino


Mandrakitra, Raketina, Raketo, ... : hilazana hoe save na enregistrer. Mampiasa fotsiny ny hoe Rakitra (file na fichier) ho fototeny. Ara-panononana koa tsy dia mifanalavitra amin’ny hoe mandraikitra :)

–Lapino


Sarikapila: hilazana disk image. Mahalaza azy loatra ilay teny anglisy :-). Mety ho io hevitra io ihany no hita amin’ny hoe: saribakoly, na koa saritsiky (smileys) araka ny andikan’i hery azy.

–Lapino


Sandrify: Asa raha mety io handikana ny folder. Na tsy mi-fold aza no itahirizany rakitra fa mifanarona, tsaratsara kokoa ny securite am’zay :). Fa ny handikana directory na repertoire tsy hitako.

–Lapino


Asa raha efa nandalo tao amin’ny akademia ny hoe kapila mafonja talohan’ny nandraisana ilay hoe kapila manjelatra. :-)

–Lapino


Tsonga: Selection
Mitsonga: Select, ary ny selected mety ho voatsonga na notsongaina


Kitendry: asa raha mahadika ny keyboard io. Noeritreretiko koa ny hoe rarimbokotra fa toa ratsy feo izany.

–Lapino


karatra fototra: io indray no ilazako ny hoe carte mere. Tahaka ny foto-kazo no ilazako azy.

–Jentilisa


tava miofo sy tava vao mitranga: ireo indray no ilazako ny fenetre pop-under sy fenetre pop-up. Hevitra ny ahy aloha.

–Jentilisa

 

voambolanasosokevitra.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43