Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/1/141b67a7b67fc0b589b47f64055e0450.xhtml failed

Ny webserver finday matetika dia angona rindrankajy tonga dia vonona ahafahana mandefa tranonkala dynamika avy amina support finday (CD/DVD, pendrive, disque externe). Matetika izy ahitana an’ireto:

  • webserver
  • mpandika langage-na tranonkala dynamika: PHP, ASP, JSP sns

Atao inona?

  • hizarana na hanaparitahana tahirin-kevitra miendrika tranonkala anaty CD na DVD
  • ahafahana manana ny asa anaty pendrive ka tsy voafetran’ny solosaina ampiasaina. Izany hoe raha vao mahita solosaina ianao na aiza na aiza dia afaka mitohy miasa amin’iny.

Atao ahoana?

Adika ao anatin’ny root an’ny serveur ilay vala web. Raha hampiasa CMS moa ianao dia installer-na ao ilay izy. Fichier executable iray no mandefa ilay serveur sy ny vala manontolo.

Avy eo dia kikisana anaty CD ilay dossier misy ilay serveur + ny valanao, na adika anatina support finday hafa. Ho an’ny CD na DVD dia azonao atao ny manao fichier autorun.inf alohan’ny fikikisana mba ho tonga dia hain’ny windows ilay izy rehefa ampidirina.

Inona avy?

  • Ireo mampiasa AMP (Apache, MySql, PHP na Perl)

Natao hampiasaina anaty pendrive, mampiasa PHP ary miaraka amin’ny PhpMyAdmin

Namboarina avy tamin’ny WAMP ihany, natao ho afaka hihodina anaty pendrive.

WAMP Mobile Storage Server

Tsy maimaimpoana izy ity, saingy tsy lafo loatra koa: USD5.

Nanomboka tamin’ny kinovany farany ( 1.8 ) dia mety anaovana serveur mobile ny easyPHP. Marihina fa tsy mety ny 1.7 noho midina. Io koa dia maimaimpoana tanteraka, ary opensource. PHP sy MySQL ihany no zakany
Ny kinova 1.8 io aza amin’ny pendrive ihany no mandeha fa tsy mety raha cd satria manova fichier config izy.

Namboarin’ilay tary nanao ny ZMWS ihany, saingy mampiasa Apache.

  • Ireo tsy mampiasa AMP

Ny dweb pro dia maimaimpoana raha ampiasaina ho anao manokana ihany. Misy koa ankoatra an’izay famerana ho an’ny kinova bojy io, dia ny fisian’ny sary splash amin’ny fandefasana sy fanidiana azy, ary sary icone amin’ny system tray mandritra ny fandehanany. Tsy dia manelingelina ireo raha toa ka perso no ampiasana azy. Afaka ampiasana teknolojia maro be mety hisy izay ilainao rehetra toy ny PHP, ASP.net, Java, MySQL, MS Access, PostgreSql, Firebird, ...

Maimaimpoana izy mandritra ny 30 andro. Afaka mantsaka azy foana ianao, saingy mila mametraka/mamafa izany. Mahazaka Perl, PHP ary MySQL

Ity indray dia maimaimpoana tanteraka, ary open source. Saingy mbola sarotsarotra ny mampiasa azy. PHP sy MySQL ihany no mety aminy. Tsy mampiasa Apache izy fa manana webserver azy manokana.

Mahazaka PHP sy ASP, base de donnees Access sy MySql. Tsy maimaimpoana.

Karazany hafa:

Ny lamppix dia live-cd linux misy webserver. Izany hoe mila vonoina ny solosaina ary averina velomina miaraka amin’ilay cd. Knoppix nametrahana Xampp fotsiny.

Fitambarana rindrankajy opensource saika feno, misy kinova ho an’ny Windows, Linux, MacOSX ary Solaris. Tsy finday izy, kanefa tiana hotenenina eto ihany. Misy an’ireto izy ohatra ho an’ny windows: Apache, MySQL, PHP + PEAR, Perl, mod_php, mod_perl, mod_ssl, OpenSSL, phpMyAdmin, Webalizer, Mercury Mail Transport System for Win32 and NetWare Systems v3.32, JpGraph, FileZilla FTP Server, mcrypt, eAccelerator, SQLite, and WEB-DAV + mod_auth_mysql.

Alavaina hoe: “Windows - Apache - MySql - Php”

 

webserverfinday.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43