Ny Windows dia OS vokarin’ny orinasa Microsoft, ary mihodina amin’ireo solosaina PC. Izy amin’izao fotoana izao no be mpampiasa indrindra eran-tany.
Ny fahombiazan’ny Windows dia tohin’ny fihanaky ny MsDOS ihany. Sosona tambonin’ny MsDOS fotsiny izy hatramin’ny kinova 3.1 mba hahazoana GUI, fa lasa OS mahaleo tena hatramin’ny Windows95. An-tsary tanteraka araka izany ny fampiasana azy, ny configurations rehetra, ary natao izay hahamora azy indrindra. Tsy mila hoe informatisiana izany vao afaka mampiasa azy. Marihina fa amin’ny milina mitondra processeur x86 ihany no ihodinany.
Ireo kinovan’i Windows
Windows 1.0, 2.0, 3.0
Windows 3.1 sy 3.11
Windows 95, Windows 98/98SE
Fianakaviana Windows NT, Windows 2000, Windows XP, Windows 2003 server, Windows Vista
Windows CE, Windows automotive
Ny mampiavaka azy
Ny tombony
Mora ampiasaina ho an’ny daholobe noho izy an-tsary tanteraka
Saika mandeha aminy daholo ny logiciels rehetra, na ny proprietary na ny free
Saika ahitana
driver ho azy ny devices rehetra, izy rahateo moa dia efa miaraka amina karazana drivers maro
Haingana izy eo amin’ny lafiny graphisme
Ny tsininy
Ny hazo avo halan-drivotra, betsaka ireo karazana
malware ka mila andraisana fepetra manokana ny resaka
security. Ity misy
torolalana kely momba io taranja io.
Fampiasana Windows
Misy
fikojakojana (
entretien) tsara hatao mba hampateza ny windows ampiasaina
Tokony ho raisina an-tanana koa ny resaka
fiarovana
Misy koa
fikafika samihafa ahafahana manatsara ny fiasana aminy
Izay te hampiasa tsara ny solosainy miaraka amin’ny windows dia ilaina mahalala madio.