Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/d/d6bf9b7de7402c74f940bd12bd4e8430.xhtml failed

Windows Tuning

Indraindray isika mba te hanana birao tsy mitovy look (na loko ;-)) amin’ny an’ny olona rehetra. Azo atao izany, mety mila fitaovana ivelany anefa. Windows XP ihany no tena horesahana, fa mety ho azo ampiharina amin’ireo kinova taloha ny zavatra sasany. Zavatra vitsivitsy no azo ovaina amin’izany: Wallpaper, Visual styles, icons, pointers, karazam-peo, logon screen, bootscreen, Screensaver na fitambaran’ireo: theme

Fitaovana efa miaraka amin'i Windows

  • Proprietes de l’affichage:

Control Panel > Display na Klic havanana ambony birao > Proprietes. Afaka misafidy theme izay misy, na mametraka vaovao. Azo amboarina koa ny Apparences, ary tehirizina ny fanovana nataonao ankoatra ny ampiharana azy. Jereo ato.

  • Control Panel > Sounds and Audio Devices > Sounds : Ahafahana misafidy ireo feo maneno rehefa misy zavatra mitranga (ohatra misy erreur, manokatra session, ... sns ...)
  • Control Panel > Mouse : Ahafahana misafidy ireo karazana pointers ho an’ny totozy

Fitaovana ivelan'i Windows

Misy rindrankajy natao ho fampiharana theme ho an’i Windows, izay saika mila vidiana daholo. Ireto misy ireo fampiasa matetika:

- StarSkin: fampiharana Visual Styles
- StyleXP: fampiharana theme na ampahana theme
Ho an’ireo anankiroa ireo dia mila ovaina ny fichier C:\Windows\System32\themeui.dll, soloina fichier iray vita patch satria ny windows dia natao tsy handray theme tsy voasonia. Amin’ireo sehatra etsy ambany no mety ahitana an’io themeui.dll vita patch io.

- WindowBlinds: fampiharana Visual styles matanjaka, isan’ny malaza indrindra
- DesktopX: ahafahana manova tanteraka mihitsy ny endriky ny birao windows, azo anaovana izay zavatra rehetra azo sary an-tsaina. Misy ohatra mahavita ny windows hitovy tanteraka amin’ny MacOsX ny endriny.
Ireo rindrankajin’ny orinasa Stardock ireo no tena matanjaka indrindra, afaka miara-miasa izy ireo.

Rohy vitsivitsy

 

windowstuning.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43