Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/a/accd74b2a4183053b478946c6893f47d.xhtml failed

XML

eXtensible Markup Language dia notaritina avy amin’ny SGML ihany fa somary tsotsotra kokoa . Ny W3C (World Wide Web Consortium) ihany koa no nandrafitra azy tahaka ny HTML. Mora ampiasaina noho ny SGML izy indrindra raha resaka Web.

Anisan’ny maha-samihafa azy raha oharina amin’ny HTML dia raha hampiasa balise amin’ny HTML dia tsy maintsy izay balise (tag) efa misy ihany no azo raisina toy ny <HEAD> na ny <BODY>, amin’ny XML dia afaka manamboatra manokana ohatra hoe <Akondro> na <Voasary> sy ny sisa.

Ireo balise manokana ampiasaina dia afaka faritana ao anaty DTD iray na XML schemas ( ity faharoa ity no tsotra kokoa raha XML no atao) . Ireo dia hahafahana manamarina fa manaraka ny fepetra nofaritana ny rakitra XML namboarina.

 

xml.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43