Yellowdog Updater Modified dia fitantatana fonosana rpm. Hahafahana mametraka sy manala ny fonosana ary ihany koa miandraikitra ny fiankinan’ny fonosana samihafa.
Nosoratana tamin’ny python izy ity ary ny distribution Fedora no anisan’ny tena nahitana azy.
Ny fametrahana azy matetika raha Fedora no ampiasaina dia efa misy avy hatrany ary noho izy mila Repository(sompitra) hakana ireo kirakira dia misy fichier de configuration /etc/yum.conf hahafahana milaza izany.
Toy izao misy ohatra momba ny ao anatiny :
[main] cachedir=/var/cache/yum debuglevel=2 logfile=/var/log/yum.log pkgpolicy=newest distroverpkg=redhat-release tolerant=1 exactarch=1 retries=20 [base] name=Fedora Core $releasever - $basearch - Base baseurl=http://download.fedora.redhat.com/pub/fedora/linux/core/$releasever/$basearch/os/ gpgcheck=1 enabled=1 [mono] name=Mono Repository baseurl=http://www.go-mono.com/archive/1.0.4/fedora-1-i386/ gpgcheck=1 enabled=1
Ny fampiasa azy koa tsy dia sarotra loatra fa miantso baiko yum miaraka amin’ny safidy fotsiny ihany. Misy ihany koa ny interface graphique hahafahana manamora ny fikirakirana azy toy ny yumex, gyum.
Hanavao ny systeme rehetra (Update) :
# yum update
Hametraka rindrankajy vaovao (Install) :
# yum install rindrankajy
Hanavao rindrankajy iray (Update) :
# yum update rindrankajy
Hitady rindrankajy (Search):
# yum search rindrankajy
Hitanisa ny rindrankajy misy (List):
# yum list available
Hijery ny mikasika ny rindrankajy iray:
$ yum info rindrankajy
Hanadio ny sompitra an-trano (Clean):
# yum clean
Hijery fonosana mametraka library iray :
$ yum provide libc6.1-1.so.2
Ohatra io fa azo ovaina arakaraky ny tadiavina